Ny niaingan’ity fvoizana zava-baovao ity dia nanomboka tamin’ny 2008 tao Vakinankaratra rehefa tojo aretin’ovy tahaka ny fandazo ny mpamokatra, ka nila ftahirizana sy fahafahana misitraka masombolin’ovy salama tsara. Mba ahafahana mamaha ny olan’ny ftahirizana masomboly, dia nisy dinidiniky ny komitin’ny VFTV1 sy ny Ceffel2 izay niafara tamin’ny famolavolana trano ftahirizam-bokatra amin’ny alalan’ny akora eny an-toerana, nalaina tahaka tamin’ireo izay efa nandraman’ny CAP-Malagasy3 tamin’ny vary tany amin’ny faritra Atsimo. Ho famahana ny olana amin’ny tsy fisian’ny masomboly fototra, ny Ceffel dia nanao andrana tamin’ny famokarana zanak’ovy, Ary niara-niasa tamin’ny Fifamanor sy ny Foffa (ivon-toerana fkarohana roa). Ny tantsaha mpamokatra masomboly sy ny tantsaha mpampita, mpikambana ao amin’ny Fifata, dia nahazo tohana sy fofanana tsy tapaka avy tamin’ny Ceffel sy ny Cap-Malagasy amin’ny teknika-mpambolena ary koany faraha-mitantana mba hanatsarana ny ftantanana ny tahirin-janak’ovy.