Ny brakaria dia vilona giraminea, maharitra taona maro. Ny karazany Brachiaria ruziziensis sy Brachiaria spp. hybrids Cv mulato dia manana ravina vaventy no voloina ary tsy mamelana raha tsy efa fohy ny halavan’ny andro (volana aprily). Ny karazany Brachiaria brizantha dia madini-dravina no tsy misy volony ary malady mamelana.