Inona no antony hanatsarana ny fitahirizana ny vokatra katsaka sy soazaha ? Ny mpandraharaha ara-toekarena dia mitaky katsaka sy soazaha maina tsara (manodidina ny 12 % ny tahan’ny hamandoan’ny voa). Maro amin’izy ireo no mampiasa fandrefy hamandoana (humidimètre) hijerena izany. Ny fahabetsahan’ny rano anaty voa dia : - Manamora ny firongatry ny bibikely (manomboka amin’ny 9%) - mampitombo ny bobongolo, izay miteraka poizina (mycotoxines) ho an’ny biby sy ny olona (raha mihoatra ny 16%).