Avy any amin’ny Kaontinanta Amerikana ny olitra legionera. Ny taona 2016 no nahitana azy voalohany taty Afrika. Niparitaka haingana izy avy eo ka niteraka fihenan’ny vokatra katsaka hatrany amin’ny 10-15%. Ny olitra lezionera no lasa fahavalo mpanimba indrindra ny voly katsaka Ny volana Novambra 2017 no nahitana voalohany ny olitra lezionera teto Madagasikara. Ny taona 2018 anefa dia efa niparitaka tamin’ny faritra 22 ity karazana olitra ity. Arakaraka ny toetr’andro sy ny fomba famboly ny fiatraikan’ny olitra lezionera. Ny voly katsaka irery ihany aloha hetreto ny tratrany ao amin’ny Faritra avo eto Madagasikara.