Ny katsaka sy ny soazaha dia mila tany lonaka tsara mba hamokatra. Amin’ny ankapobeny, ny tany lonaka dia : - miloko mainty, be raha organika sy tsiron-jezika (N,P,K) ; - tsara firafitra, ka mamaka haingana sy lalina ny voly atao eo aminy ; - ahitana tsara ny fihodinan’ireo asa biolojika mamelona ny tany toy ny asan’ny bibikely, ny tsingerin’ny ravina sy ny rano.